Ezekiel 9:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary reko Izy niteny tamin’ny sasany hoe: Mandehana manaraka azy ianareo hamakivaky ny tanàna ka mameleza; aoka tsy hamindra fo ny masonareo ary aza ananana antra!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy koa Izy tamin’iretsy sasany, teo an-tsofiko: «Mandehana manaraka azy, mamaky ny tanàna, ianareo, ka mameleza, aza miantra ny masonareo, aza mamindra fo ianareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Avy eo dia reko Izy nanome baiko ireo sisa hoe: «Manaraha io lehilahy io eran’ny tanàna, ka vonoy ny mponina. Aza antra fijery azy ianareo, ary aza mamindrafo aminy.
Malagasy Bible 1865
Ary reko Izy nanao tamin'ny sasany hoe: Mandehana manaraka azy ianareo hamaky ny tanàna, ka mameleza; aoka tsy hamindra fo aminy ny masonareo, ary aza ananana antra izy,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary reko Izy niteny tamin’ny sasany hoe: Mandehana manaraka azy ianareo hamakivaky ny tanàna ka mameleza; aoka tsy hamindra fo ny masonareo ary aza ananana antra!
malagasy
Ary reko Izy nanao tamin'ny sasany hoe: Mandehana manaraka azy ianareo hamaky ny tanàna, ka mameleza; aoka tsy hamindra fo aminy ny masonareo, ary aza ananana antra izy,