Ezekiel 9:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary raha mbola namely izy, ary izaho ihany no sisa teo, dia niankohoka aho ka nitaraina hoe: Indrisy! Ry TOMPO Andriamanitra ô! Haringanao va ny sisa rehetra amin’ny Israely amin’izao ampidinanao ny fahatezeranao amin’i Jerosalema izao?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony namely izy ireo, ka izaho irery no sisa teo, dia niankohoka aho, sady nitaraina hoe: «Indrisy! Iaveh Tompo ô! dia haringanao avokoa va ny sisa amin’i Israely, amin’izao ampidinanao ny hatezeranao amin’i Jerosalema izao?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izaho irery sisa nijanona teo nandritra ny famelezana, ka niankohoka tamin’ny tany ary niantsoantso hoe: –Tompo ANDRIANANAHARY ô, raha manampatra ny fahatezeranao amin’i Jerosalema ve ianao dia handringana hatramin’ny Israelita sisa?
Malagasy Bible 1865
Ary raha mbola namely izy, ary izaho ihany no sisa teo, dia niankohoka aho ka nitaraina hoe: Indrisy! Jehovah Tompo ô! haringanao va ny sisa rehetra amin'ny Isiraely amin'izao ampidinanao ny fahatezeranao amin'i Jerosalema izao?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary raha mbola namely izy, ary izaho ihany no sisa teo, dia niankohoka aho ka nitaraina hoe: Indrisy! Ry TOMPO Andriamanitra ô! Haringanao va ny sisa rehetra amin’ny Israely amin’izao ampidinanao ny fahatezeranao amin’i Jerosalema izao?
malagasy