Ezra 1:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa iza avy aminareo rehetra moa no olony? Andriamaniny anie homba azy! Aoka hiakatra any Jerosalema izay any Joda izy ka hanao ny tranon’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely. Izy no Andriamanitra izay any Jerosalema.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka iza aminareo no vahoakany? Homba azy anie ny Andriamaniny, ary aoka hiakatra any Jerosalema any Jodà izy, ka hanao ny tranon’i Iaveh Andriamanitr’i Israely, dia ilay Andriamanitra izay ao Jerosalema.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa aoka ianareo rehetra anisan’ny vahoakan’ny Tompo mba hiakatra any Jerosalema, ao amin’ny tanin’i Joda, ka hanorina indray ny tranon’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely, dia ilay Andriamanitra Izay ivavahana ao Jerosalema. Homba anareo anie ilay Andriamanitrareo!
Malagasy Bible 1865
Koa iza avy moa aminareo rehetra no olony? Andriamaniny anie homba azy, fa aoka hiakatra any Jerosalema izay any Joda izy ka hanao ny tranon'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izy no Andriamanitra Izay any Jerosalema.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa iza avy aminareo rehetra moa no olony? Andriamaniny anie homba azy! Aoka hiakatra any Jerosalema izay any Joda izy ka hanao ny tranon’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely. Izy no Andriamanitra izay any Jerosalema.
malagasy