Ezra 1:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary izay rehetra mijanona, na aiza na aiza toerana misy azy, dia aoka ny tompon-tany ao amin’izay ivahiniany hanome azy volafotsy, volamena, fanaka ary biby fiompy mbamin’ny fanatitra an-tsitrapo ho an’ny tranon’Andriamanitra izay any Jerosalema.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Aoka ny olona rehetra sisan’i Jodà ao amin’ny fonenana itoerany, na iza na iza, dia hoampian’ny olona ao amin’io fonenana io, amin’ny volafotsy, volamena, fanaka, biby fiompy, mbamin’ny fanomezana an-tsitrapo hanaovana ny tranon’Andriamanitra any Jerosalema.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Na aiza na aiza onenan’ireo sisa tavela amin’izany vahoaka izany dia aoka ny tompontany hanome azy volafotsy sy volamena ary koa fananana hafa sy biby fiompy mbamin’ny fanatitra an-tsitrapo ho an’ilay tranon’Andriamanitra any Jerosalema.»
Malagasy Bible 1865
Ary na iza na iza sisa tratra, dia aoka ny tompon-tany ao amin'izay ivahiniany hanome azy volafotsy sy volamena sy fanaka ary biby fiompy mbamin'ny fanati-tsitrapo ho an'ny tranon'Andriamanitra, izay any Jerosalema.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary izay rehetra mijanona, na aiza na aiza toerana misy azy, dia aoka ny tompon-tany ao amin’izay ivahiniany hanome azy volafotsy, volamena, fanaka ary biby fiompy mbamin’ny fanatitra an-tsitrapo ho an’ny tranon’Andriamanitra izay any Jerosalema.
malagasy