Ezra 1:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nasain’i Kirosy mpanjakan’i Persia namoaka ireny i Mitredata mpitahiry ny harenan’ny fanjakana dia nisainy sady natolony an’i Sesbazara, lehiben’ny fokon’i Joda.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Napetrak’i Sirosa mpanjakan’i Persa tao am-pelatanan’i Mitridata mpitahiry vola izany, ary izy no nanolotra azy, rahefa nisainy, tamin’i Sasabasara, filohan’i Jodà.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
I Mitredata, mpitahiry ny harem-panjakana, no nasainy namoaka ireny fanaka ireny sy nanisa azy ary nanolotra azy tamin’i Sesebatsàro, taranaky ny mpanjakan’i Joda.
Malagasy Bible 1865
Ary Mitredata, mpitahiry ny haren'ny fanjakana, dia nasain'i Kyrosy, mpanjakan'i Persia; namoaka ireny, ka nisainy sady natolony an'i Sesbazara, lehiben'ny firenen'i Joda.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nasain’i Kirosy mpanjakan’i Persia namoaka ireny i Mitredata mpitahiry ny harenan’ny fanjakana dia nisainy sady natolony an’i Sesbazara, lehiben’ny fokon’i Joda.
malagasy
Ary Mitredata, mpitahiry ny haren'ny fanjakana, dia nasain'i Kyrosy, mpanjakan'i Persia; namoaka ireny, ka nisainy sady natolony an'i Sesbazara, lehiben'ny firenen'i Joda.