Ezra 10:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha mbola nivavaka sy nifona i Ezra sady nitomany sy niankohoka teo anoloan’ny tranon’Andriamanitra dia nivory teo aminy ny olona marobe avy tamin’ny Israely, na lehilahy na vehivavy mbamin’ny ankizy madinika; fa nitomany mafy dia mafy koa ny olona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha mbola nitomany sy niankohoka teo anoloan’ny tranon’Andriamanitra i Esdrasa nanao izany fivavahana amam-pieken-keloka izany, dia nisy vahoaka Israelita maro be, lehilahy sy zaza amam-behivavy nivory teo aminy; fa samy nirotsaka be ihany ny ranomason’ny vahoaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha mbola nanao izany vavaka fieken-keloka izany i Hezrà sady nitomany sy niankohoka teo anoloan’ny tranon’Andriamanitra, dia nisy vahoaka israelita maro, lehilahy sy vehivavy mbamin’ny ankizy madinika, nivory nanodidina azy; ary nitomany mafy dia mafy izy rehetra.
Malagasy Bible 1865
Ary raha mbola nivavaka sy nitsotra Ezra sady nitomany sy niankohoka teo anoloan'ny tranon'Andriamanitra, dia nivory teo aminy ny olona maro be avy tamin'ny Isiraely, na lehilahy, na vehivavy mbamin'ny ankizy madinika; fa nitomany mafy dia mafy koa ny olona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha mbola nivavaka sy nifona i Ezra sady nitomany sy niankohoka teo anoloan’ny tranon’Andriamanitra dia nivory teo aminy ny olona marobe avy tamin’ny Israely, na lehilahy na vehivavy mbamin’ny ankizy madinika; fa nitomany mafy dia mafy koa ny olona.
malagasy