Ezra 10:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa ny olona izay niverina avy tamin’ny fahababoana kosa dia nanaraka izany; ary natokana i Ezra mpisorona sy ny sasany amin’ny lohan’ny fianakaviana, araka ny fianakaviany avy, sady samy efa notononina anarana; dia nipetraka handinika izany raharaha izany izy ireo tamin’ny andro voalohany tamin’ny volana fahafolo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa ny zanaky ny fahababoana dia samy nanaraka izany avokoa. I Esdrasa mpisorona mbamin’ny lehilahy sasany loham-pianakaviana, araka ny firazanany avy, samy voatonona anarana avokoa, dia nitokana ary nipetraka handinika ny raharaha; andro voalohan’ny volana fahafolo tamin’izay.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa ny Israelita hafa avy any an-tsesitany dia nanaraka izany avokoa. I Hezrà mpisorona kosa nifidy lehilahy izay loham-pianakaviana araka ny tarika isany avy, sady samy voatonona anarana tsirairay; ka ireo lehilahy ireo no nipetraka handamina izany raharaha izany tamin’ny andro voalohan’ny volana fahafolo.
Malagasy Bible 1865
Fa ny olona izay efa niverina avy tamin'ny fahababoana kosa dia nanaraka izany; ary voatokana Ezra mpisorona sy ny sasany amin'ny lohan'ny fianakaviana, araka ny fianakaviany avy, sady samy efa notononina anarana, dia nipetraka handinika Izany raharaha izany tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana fahafolo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa ny olona izay niverina avy tamin’ny fahababoana kosa dia nanaraka izany; ary natokana i Ezra mpisorona sy ny sasany amin’ny lohan’ny fianakaviana, araka ny fianakaviany avy, sady samy efa notononina anarana; dia nipetraka handinika izany raharaha izany izy ireo tamin’ny andro voalohany tamin’ny volana fahafolo.
malagasy