Ezra 10:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy i Sekania, zanak’i Jehiela, isan’ny taranak’i Elama, tamin’i Ezra hoe: Efa nanao izay mahadiso teo anatrehan’Andriamanitsika izahay satria naka vehivavy hafa firenena avy tamin’ny tompon-tany ho vadinay; nefa mbola misy fanantenana ihany ho an’ny Israely ny amin’izany zavatra izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’izay dia niteny i Skeniasa zanak’i Jehiela, amin’ny taranak’i Elama, ka nanao tamin’i Esdrasa hoe: «Nanota tamin’Andriamanitra tokoa izahay, fa namponina eto aminay vehivavy hafa firenena avy amin’ny olona monina amin’ny tany. Ary ankehitriny dia mbola misy fanantenana ho an’i Israely ny amin’izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’izany no niteny i Sekanià, zanakalahin’i Jehiela sady anisan’ny taranak’i Helama, ka nanao tamin’i Hezrà hoe: –Efa nanao izay mahadiso amin’Ilay Andriamanitsika izahay, satria naka vehivavy hafa firenena anisan’ireo mponin’ity tany ity ho vadinay; nefa na izany aza, dia mbola misy fanantenana ihany ho an’i Israely.
Malagasy Bible 1865
Dia namaly Sekania, zanak'i Jehiela, isan'ny taranak'i Elama, ka nanao tamin'i Ezra hoe: Izahay efa nanao izay mahadiso amin'Andriamanitsika, fa efa naka vehivavy hafa firenena avy tamin'ny tompon-tany ho vadinay; nefa mbola misy fanantenana ihany ho an'ny Isiraely ny amin'izany zavatra izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy i Sekania, zanak’i Jehiela, isan’ny taranak’i Elama, tamin’i Ezra hoe: Efa nanao izay mahadiso teo anatrehan’Andriamanitsika izahay satria naka vehivavy hafa firenena avy tamin’ny tompon-tany ho vadinay; nefa mbola misy fanantenana ihany ho an’ny Israely ny amin’izany zavatra izany.
malagasy