Ezra 10:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa aoka izahay hanao fanekena amin’Andriamanitsika ka hisaotra ny vady rehetra sy hanary izay naterany araka ny anatra nataonao, tompokolahy, sy araka ny anatra nataon’ireo izay mangovitra noho ny didin’Andriamanitsika; ary aoka hatao araka ny lalàna izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Aoka hanao amin’ny Andriamanitsika izahay izao, fa horoahinay mban-janany ireo vehivavy rehetra ireo, araka ny torohevitry ny tompoko sy ireo matahotra eo anoloan’ny didin’Andriamanitsika; dia aoka hatao araka ny lalàna izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Aoka hifanaiky amin’Ilay Andriamanitsika izahay fa handroaka mbamin-janany ireo vehivavy rehetra hafa firenena ireo. Harahinay ny anatra nataonao sy naroson’izay fatra-panaja ny didin’Andriamanitra; aoka hatao araka ny lalànany tokoa izany!
Malagasy Bible 1865
Koa aoka izahay hanao fanekena amin'Andriamanitsika hisaotra ny vady rehetra sy hanary izay naterany araka ny anatra nataonao, tompokolahy, sy izay mangovitra noho ny didin'Andriamanitsika; ary aoka hatao araka ny lalàna izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa aoka izahay hanao fanekena amin’Andriamanitsika ka hisaotra ny vady rehetra sy hanary izay naterany araka ny anatra nataonao, tompokolahy, sy araka ny anatra nataon’ireo izay mangovitra noho ny didin’Andriamanitsika; ary aoka hatao araka ny lalàna izany.
malagasy