Ezra 10:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nitsangana niala teo anoloan’ny tranon’Andriamanitra i Ezra ka nankany amin’ny efitrano nitoeran’i Johanana, zanak’i Eliasiba; nony tafiditra tao izy dia tsy mba nihinan-kanina na nisotro rano, fa nalahelo izy noho ny fahadisoan’ny olona izay efa niverina avy tamin’ny fahababoana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha efa izany, niala teo anoloan’ny tranon’Andriamanitra i Esdrasa dia nankao amin’ny efitranon’i Johanàna, zanak’i Eliasiba; nony tafiditra tao izy, dia tsy nihinan-kanina na nisotro fa nisaona noho ny fahotan’ny zanaky ny fahababoana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Taorian’izay i Hezrà no niala teo anoloan’ny tranon’Andriamanitra ka nankany amin’ny efitranon’i Jôhanàna zanakalahin’i Eliasiba ary nitoetra tao; saingy tsy nety nihinan-kanina sy nisotro rano izy satria nalahelo tokoa noho ny fahadisoan’ireo Jiosy tafaverina avy any an-tsesitany.
Malagasy Bible 1865
Dia nitsangana niala teo anoloan'ny tranon'Andriamanitra Ezra ka nankany amin'ny efi-trano nitoeran'i Johanana, zanak'i Eliasiba; ary nony tafiditra tao izy, dia tsy mba nihinan-kanina na nisotro rano, fa nalahelo izy noho ny fahadisoan'ny olona izay efa niverina avy tamin'ny fahababoana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nitsangana niala teo anoloan’ny tranon’Andriamanitra i Ezra ka nankany amin’ny efitrano nitoeran’i Johanana, zanak’i Eliasiba; nony tafiditra tao izy dia tsy mba nihinan-kanina na nisotro rano, fa nalahelo izy noho ny fahadisoan’ny olona izay efa niverina avy tamin’ny fahababoana.
malagasy