Ezra 10:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony tamin’ny andro fahatelo dia vory tany Jerosalema ny lehilahy rehetra tamin’ny Joda sy ny Benjamina, dia tamin’ny andro faharoapolo tamin’ny volana fahasivy; nipetraka teo amin’ny toerana malalaka akaikin’ny tranon’Andriamanitra ny olona rehetra ka nangovitra noho izany zavatra izany sy noho ny ranonorana be.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tao anatin’ny hateloan’andro dia vory tao Jerosalema ny lehilahy rehetra amin’i Jodà sy i Benjamina; andro faha roapolon’ny volana fahasivy tamin’izay. Nipetraka teo amin’ny kianjan’ny tranon’Andriamanitra avokoa ny vahoaka rehetra, samy nangovitra noho ity toe-draharaha, sady avy koa ny orana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nony afaka telo andro, izany hoe ny andro faharoapolon’ny volana fahasivy, dia vory tao Jerosalema ny lehilahy rehetra tamin’i Joda sy i Benjamîna; ary nipetraka teo an-kianjan’ny tranon’Andriamanitra ny vahoaka rehetra ka samy nangovitra noho izany toe-draharaha izany, ary koa noho ny ranonorana be.
Malagasy Bible 1865
Ary nony tamin'ny andro fahatelo dia vory tany Jerosalema ny lehilahy rehetra tamin'ny Joda sy ny Benjamina, dia tamin'ny andro faharoa-polo tamin'ny volana fahasivy; ary nipetraka teo an-kalalahana akaikin'ny tranon'Andriamanitra ny olona rehetra ka nangovitra noho izany zavatra izany sy noho ny ranonorana be.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony tamin’ny andro fahatelo dia vory tany Jerosalema ny lehilahy rehetra tamin’ny Joda sy ny Benjamina, dia tamin’ny andro faharoapolo tamin’ny volana fahasivy; nipetraka teo amin’ny toerana malalaka akaikin’ny tranon’Andriamanitra ny olona rehetra ka nangovitra noho izany zavatra izany sy noho ny ranonorana be.
malagasy