Ezra 2:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ireto ireo avy any amin’ny fari-piadidiana niakatra avy tamin’ny fahababoana; nobaboin’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona ka noentiny ho any Babilona, ary niverina ho any Jerosalema sy Joda, samy ho any an-tanànany avy:
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ireto ny olona ambanivohitra niverina avy amin’izay nanaovana sesitany azy, dia izay nentin’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna ho any Babilôna, ka niverina ho any Jerosalema sy i Jodà, samy ho any an-tanànany avy;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’ireo olona nobaboin’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna ka nentiny ho any Babilônia, dia maro ny teraky ny faritanin’i Joda no niala sesitany ka nitodi-doha ho any Jerosalema sy Joda, samy niverina ho any an-tanànany avy;
Malagasy Bible 1865
Ary izao no olona amin'izany tany izany izay niakatra avy amin'ny fahababoana, izay nobaboin'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, ka nentiny ho any Babylona, ary niverina ho any Jerosalema sy Joda, samy ho any an-tanànany avy,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ireto ireo avy any amin’ny fari-piadidiana niakatra avy tamin’ny fahababoana; nobaboin’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona ka noentiny ho any Babilona, ary niverina ho any Jerosalema sy Joda, samy ho any an-tanànany avy:
malagasy
[Ny anaran'ny Jiosy nentin'i Zerobabela nody] Ary izao no olona amin'izany tany izany izay niakatra avy amin'ny fahababoana, izay nobaboin'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, ka nentiny ho any Babylona, ary niverina ho any Jerosalema sy Joda, samy ho any an-tanànany avy,