Ezra 2:59 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ireto kosa no niakatra avy tany Tela-Mela, Tela-Harsa, Keroba-Adana ary Imera; fa tsy nahalaza ny fianakaviany sy ny firazanany izy, na avy tamin’ny Israely na tsia.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no nandeha avy tany Tel-Melà, Tel-Harsà, Keroba, Adona, Emera, ka tsy nahalaza ny fianakavian-drainy amam-pirazanany, hanamarina ny maha-Israely azy:
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ireo lehilahy mpiala sesitany niainga avy tany Tela-Mela sy Tela-Harsà na niainga avy tany Keroba sy Adanà ary Imera, saingy tsy nahalaza ny maha Israelita ny fianakaviany sy ny firazanany,
Malagasy Bible 1865
Ary izao no niakatra avy tany Tela-mela sy Tela-harsa sy Keroba sy Adana ary Imera (fa tsy nahalaza ny fianakaviany sy ny firazanany izy, na avy tamin'ny Isiraely, na tsia):
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ireto kosa no niakatra avy tany Tela-Mela, Tela-Harsa, Keroba-Adana ary Imera; fa tsy nahalaza ny fianakaviany sy ny firazanany izy, na avy tamin’ny Israely na tsia.
malagasy
Ary izao no niakatra avy tany Tela-mela sy Tela-harsa sy Keroba sy Adana ary Imera (fa tsy nahalaza ny fianakaviany sy ny firazanany izy, na avy tamin'ny Isiraely, na tsia):