Ezra 2:68 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny sasany tamin’ny lohan’ny fianakaviana, rehefa tonga tao amin’ny tranon’NY TOMPO tany Jerosalema, dia nanolotra fanatitra an-tsitrapo hananganana ny tranon’Andriamanitra eo amin’ilay efa niorenany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony vao tonga tao amin’ny tranon’i Iaveh, tany Jerosalema, dia maro tamin’ny loham-pianakaviana no nanome fanatitra an-tsitrapo ho an’ny tranon’Andriamanitra, mba hananganana azy eo amin’ilay nitoerany indray.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa tonga tao an-tranon’ny TOMPO tany Jerosalema izy rehetra, dia nanao fanomezana an-tsitrapo ny loham-pianakaviana sasantsasany mba hananganana indray ny tranon’Andriamanitra eo amin’ilay toerany taloha.
Malagasy Bible 1865
Ary ny sasany tamin'ny lohan'ny fianakaviana, rehefa tonga tao an-tranon'i Jehovah tany Jerosalema, dia nanatitra tamin'ny sitrapo hananganana ny tranon'Andriamanitra eo amin'ilay efa niorenany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny sasany tamin’ny lohan’ny fianakaviana, rehefa tonga tao amin’ny tranon’NY TOMPO tany Jerosalema, dia nanolotra fanatitra an-tsitrapo hananganana ny tranon’Andriamanitra eo amin’ilay efa niorenany.
malagasy
Ary ny sasany tamin'ny lohan'ny fianakaviana, rehefa tonga tao an-tranon'i Jehovah tany Jerosalema, dia nanatitra tamin'ny sitrapo hananganana ny tranon'Andriamanitra eo amin'ilay efa niorenany.