Ezra 2:69 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nanome araka izay nananany avy izy ireo mba hanampy ireo kojakoja ho amin’ny asa, dia drakma volamena arivo sy enina alina ary volafotsy dimy arivo mane ary fanamiana mpisorona zato.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny nomeny hatao amin’ny rakitra momba izany asa izany, samy araka ny toe-pananany avy, dia darìka volamena 61.000, mina 5.000, ary akanjom-pisoronana zato.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nanome araka izay fari-pananany avy izy mba hanampy ny vola voavory hanaovana ny asa: dia volamena 500 kilao, sy volafotsy 2 800 kilao, ary fanamiam-pisoronana zato.
Malagasy Bible 1865
Nanome araka izay nananany avy izy hanampy ny vola voavory hanaovana ny asa, dia darika volamena arivo sy enina alina ary mane volafotsy dimy arivo ary akanjo-mpisorona zato.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nanome araka izay nananany avy izy ireo mba hanampy ireo kojakoja ho amin’ny asa, dia drakma* volamena arivo sy enina alina ary volafotsy dimy arivo mane* ary fanamiana mpisorona zato.
malagasy
Nanome araka izay nananany avy izy hanampy ny vola voavory hanaovana ny asa, dia darika volamena arivo sy enina alina ary mane volafotsy dimy arivo ary akanjo-mpisorona zato.[Izahao 1 Tan. xxix. 7]Ary samy tafapetraka teny an-tanànany avy ny mpisorona sy ny Levita sy ny sasany tamin'ny vahoaka sy ny mpihira sy ny mpiandry varavarana ary ny Netinima, dia ny Isiraely rehetra samy tao an-tanànany avy.