Ezra 2:70 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Samy tafapetraka teny an-tanànany avy ny mpisorona sy ny levita sy ny sasany tamin’ny vahoaka, ny mpihira, ny mpiandry varavarana ary ny Netinima mbamin’ny Israely rehetra koa izay samy tao an-tanànany avy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Toy izany no nahatafapetraka azy tamin’ny tanànany avy, dia ny mpisorona sy ny Levita, ny sarambabem-bahoaka, ny mpihira, ny mpiandry varavarana, sy ny Natineanina, ary nonina tamin’ny tanànany avy i Israely rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Samy nipetraka teny amin’ny tanàna nasaina hipetrahany avy ny mpisorona sy ny levita ary ny sarambabem-bahoaka sasantsasany toy ny mpihira na mpiandry varavarana na mpanampy ny levita; fa ny Israelita hafa rehetra kosa dia samy nonina tao an-tanànany avy.
Malagasy Bible 1865
Ary samy tafapetraka teny an-tanànany avy ny mpisorona sy ny Levita sy ny sasany tamin'ny vahoaka sy ny mpihira sy ny mpiandry varavarana ary ny Netinima, dia ny Isiraely rehetra samy tao an-tanànany avy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Samy tafapetraka teny an-tanànany avy ny mpisorona sy ny levita sy ny sasany tamin’ny vahoaka, ny mpihira, ny mpiandry varavarana ary ny Netinima mbamin’ny Israely rehetra koa izay samy tao an-tanànany avy.
malagasy