Ezra 3:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony tonga ny volana fahafito dia tafapetraka teny amin’ny tanànany avy ny Zanak’Israely. Dia nivory tany Jerosalema toy ny olona iray izy ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony tonga ny volana fahafito, ka efa tafapetraka tamin’ny tanànany avy ny zanak’i Israely, dia nivory tany Jerosalema, toy ny olona iray ihany, ny vahoaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nony tonga ny volana fahafito, ireo Israelita rehetra, izay efa samy tafapetraka teny amin’ny tanànany avy, dia nivory tany Jerosalema toy ny olona iray ihany.
Malagasy Bible 1865
Ary nony tonga ny volana fahafito, rehefa tafapetraka teny amin'ny tanànany avy ny Zanak'Isiraely, dia nivory tany Jerosalema toy ny olona iray izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony tonga ny volana fahafito dia tafapetraka teny amin’ny tanànany avy ny Zanak’Israely. Dia nivory tany Jerosalema toy ny olona iray izy ireo.
malagasy
[Ny nanombohana ny raharaham-pivavahana indray, sy ny nanorenana ny tempoly] Ary nony tonga ny volana fahafito, rehefa tafapetraka teny amin'ny tanànany avy ny Zanak'Isiraely, dia nivory tany Jerosalema toy ny olona iray izy.