Ezra 3:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa napetraky ny mpanao trano ny fanorenan’ny tempolin’NY TOMPO dia nasaina nidera NY TOMPO ny mpisorona izay efa nanao ny fanamiany sy nitondra trompetra; ny levita zanak’i Asafa kosa dia nitondra kipantsona, araka ny nandidian’i Davida, mpanjakan’ny Israely.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony nandatsaka ny fototry ny tempolin’i Iaveh ny mpiasa, dia nasaina nanatrika teo ny mpisorona nanao fanamiana sy nitondra trômpetra, mbamin’ny Levita, taranak’i Asafa, nitondra kipantsona, hidera an’i Iaveh, araka ny voadidin’i Davida, mpanjakan’i Israely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nony nandatsaka ny fototr’ilay tempolin’ny TOMPO ireo mpiasa, dia nasaina nanatrika teo ny mpisorona nanao fanamiana sy nitondra trômpetra ary koa ny levita terak’i Asafa nitondra kipantsona, mba hidera ny TOMPO araka ny nandidian’i Davida mpanjakan’i Israely.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa naorin'ny mpiasa ny tempolin'i Jehovah, dia nasainy hidera an'i Jehovah ny mpisorona, sady niakanjo ny akanjony sy nitondra trompetra, ary ny Levita, zanak'i Asafa, kosa nitondra kipantsona, araka ny nandidian'i Davida, mpanjakan'ny Isiraely.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa napetraky ny mpanao trano ny fanorenan’ny tempolin’NY TOMPO dia nasaina nidera NY TOMPO ny mpisorona izay efa nanao ny fanamiany sy nitondra trompetra; ny levita zanak’i Asafa kosa dia nitondra kipantsona, araka ny nandidian’i Davida, mpanjakan’ny Israely.
malagasy