Ezra 3:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nanao hira nifamalivaly nidera sy nisaotra NY TOMPO izy satria tsara Izy, ary mandrakizay ny famindrampony amin’ny Israely. Nihoby mafy ny olona rehetra raha nidera NY TOMPO satria vita ny fanorenan’ny tranon’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nanao hira fiderana an’i Iaveh ireo: «Fa tsara fo Izy, ary maharitra mandrakizay ny famindram-pony amin’i Israely.» Ny vahoaka rehetra koa, indray nihoby an-kafaliana ho fiderana an’i Iaveh, fa nandatsaka ny fototry ny tranon’i Iaveh izy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nidera sy nisaotra ny TOMPO ireto terak’i Asafa ka nanao hira nifamalivaly hoe: «Tsara ny Tompo, ary maharitra mandrakizay ny fitiavany an’i Israely!» Nihoby mafy koa ny vahoaka rehetra raha nidera ny TOMPO, satria vita ny fototry ny tranon’ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Dia nanao hira nifamalivaly nidera sy nisaotra an'i Jehovah izy, fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindram-pony amin'ny Isiraely. Dia nihoby mafy ny olona rehetra, raha nidera an'i Jehovah, satria vita ny fanorenan'ny tranon'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nanao hira nifamalivaly nidera sy nisaotra NY TOMPO izy satria tsara Izy, ary mandrakizay ny famindrampony amin’ny Israely. Nihoby mafy ny olona rehetra raha nidera NY TOMPO satria vita ny fanorenan’ny tranon’NY TOMPO.
malagasy