Ezra 3:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Maro ny mpisorona sy ny levita ary ny lohan’ny fianakaviana, dia ny antitra izay efa nahita ny trano voalohany, no nitomany mafy dia mafy, nony naorina teo imasony indray izany trano izany; nefa maro koa no nanandratra ny feony nihoby sy nifaly.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’ny nandatsahana ny fototr’izany trano izany teo imason’izy ireo anefa, dia maro tamin’ny mpisorona sy ny Levita mbamin’ny loham-pianakaviana efa antitra, izay nahita ilay trano taloha no nitomany nigogogogo. Betsaka koa no nanandra-peo nihoby sy nifaly,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Maro ny mpisorona sy ny levita ary ny loham-pianakaviana, dia ireo antitra efa nahita ilay trano taloha, no nitomany mafy dia mafy nony nalatsaka teo imasony ny fototr’izany trano vaovao izany; nefa maro koa no nanandra-peo nihoby sy nifaly.
Malagasy Bible 1865
Nefa maro ny mpisorona sy ny Levita ary ny lohan'ny fianakaviana, dia ny antitra izay efa nahita ny trano voalohany, no nitomany mafy dia mafy, nony naorina teo imasony izany trano izany; nefa maro kosa no nanandratra ny feony nihoby sy nifaly;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Maro ny mpisorona sy ny levita ary ny lohan’ny fianakaviana, dia ny antitra izay efa nahita ny trano voalohany, no nitomany mafy dia mafy, nony naorina teo imasony indray izany trano izany; nefa maro koa no nanandratra ny feony nihoby sy nifaly.
malagasy
Nefa maro ny mpisorona sy ny Levita ary ny lohan'ny fianakaviana, dia ny antitra izay efa nahita ny trano voalohany, no nitomany mafy dia mafy, nony naorina teo imasony izany trano izany; nefa maro kosa no nanandratra ny feony nihoby sy nifaly;ka dia tsy fantatry ny olona izay fifaliana na izay fitomaniana noho izany horakoraka be izany, fa nihoby mafy ny olona, ka re lavitra ny horakoraka.