Ezra 3:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy fantatry ny olona intsony raha fifaliana na fitomaniana no nisy tamin’izany horakoraka be izany satria nihoby mafy ny olona ka re lavitra ny horakoraka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
hany ka tsy hain’ny vahoaka navahana izay hobin-kafaliana sy izay feo fitomanian’ny vahoaka, fa samy niantsoantso tamin’ny feo mafy dia mafy ny vahoaka, ka re lavitra ny horakoraka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ka dia tsy hay navahany ny hobin-kafalian’ny andaniny sy ny feo fitomanian’ny ankilany, satria samy nanao horakoraka mafy sy re lavitra tokoa ny olona.
Malagasy Bible 1865
ka dia tsy fantatry ny olona izay fifaliana na izay fitomaniana noho izany horakoraka be izany, fa nihoby mafy ny olona, ka re lavitra ny horakoraka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy fantatry ny olona intsony raha fifaliana na fitomaniana no nisy tamin’izany horakoraka be izany satria nihoby mafy ny olona ka re lavitra ny horakoraka.
malagasy
ka dia tsy fantatry ny olona izay fifaliana na izay fitomaniana noho izany horakoraka be izany, fa nihoby mafy ny olona, ka re lavitra ny horakoraka.