Ezra 3:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nitsangana i Josoa zanak’i Jozadaka sy ny mpisorona rahalahiny ary i Zerobabela zanak’i Sealtiela sy ny rahalahiny ka nanorina ny alitaran’Andriamanitry ny Israely mba hanolorana fanatitra dorana manontolo eo amboniny, araka izay voasoratra ao amin’ny lalànan’i Mosesy, lehilahin’Andriamanitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary nitsangana i Jôsoe, zanak’i Josedeka, mbamin’ny mpisorona rahalahiny sy i Zôrôbabela, zanak’i Salatiela, mbamin’ny rahalahiny, ka nanorina ny ôtelin’ny Andriamanitr’i Israely, hanaterana sorona, araka ny voasoratra ao amin’ny lalàn’i Môizy, olon’Andriamanitra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’izay i Jesoa, zanakalahin’i Jôtsadàka, sy ireo mpisorona mpiombom-panompoana aminy, ary koa i Zerôbabela, zanakalahin’i Sealtiela, sy ireo olona iray tarika aminy no nirotsaka nanorina ny alitara n’Ilay Andriamanitr’i Israely mba hanolorana sorona dorana manontolo, araka izay voasoratra ao amin’ny lalànan’i Mosesy, olon’Andriamanitra.
Malagasy Bible 1865
Dia nitsangana Jesoa, zanak'i Jozadaka, sy ny mpisorona rahalahiny ary Zerobabela, zanak'i Sealtiela, sy ny rahalahiny ka nanorina ny alitaran'Andriamanitry ny Isiraely hanaterana fanatitra dorana eo amboniny, araka izay voasoratra ao amin'ny lalàn'i Mosesy, lehilahin'Andriamanitra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nitsangana i Josoa zanak’i Jozadaka sy ny mpisorona rahalahiny ary i Zerobabela zanak’i Sealtiela sy ny rahalahiny ka nanorina ny alitaran’Andriamanitry ny Israely mba hanolorana fanatitra dorana manontolo eo amboniny, araka izay voasoratra ao amin’ny lalànan’i Mosesy, lehilahin’Andriamanitra.
malagasy