Ezra 3:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa afaka izany dia nanolotra ny fanatitra mandrakariva, dorana manontolo, sy ilay fanao amin’ny voaloham-bolana sy amin’ny fotoam-pivavahana nohamasinina rehetra izay voatendrin’NY TOMPO izy. Natolony koa ny avy amin’izay rehetra nanolotra fanatitra an-tsitrapo ho an’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Manaraka izany, nateriny ny sorona dorana tsy tapaka, ny sorona dorana fanao amin’ny voalohan’ny volana sy amin’ny fety rehetra voatokana ho an’i Iaveh, ary ny avy amin’izay rehetra manatitra fanatitra an-tsitrapo ho an’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Taorian’izany dia natolotry ry zareo ny sorona dorana manontolo tsy tapaka sy ny sorona dorana manontolo fanao amin’ny voaloham-bolana na amin’ny fankalazana rehetra voatokana ho an’ny TOMPO ary koa ny avy amin’izay rehetra manao fanatitra an-tsitrapo ho Azy TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa afaka izany, dia nanatitra ny fanatitra dorana mandrakariva izy sy ilay fanao amin'ny voaloham-bolana sy amin'ny fotoam-pivavahana nohamasinina rehetra izay voatendrin'i Jehovah ary ny avy amin'izay rehetra nanatitra fanati-tsitrapo ho an'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa afaka izany dia nanolotra ny fanatitra mandrakariva, dorana manontolo, sy ilay fanao amin’ny voaloham-bolana sy amin’ny fotoam-pivavahana nohamasinina rehetra izay voatendrin’NY TOMPO izy. Natolony koa ny avy amin’izay rehetra nanolotra fanatitra an-tsitrapo ho an’NY TOMPO.
malagasy