Ezra 3:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’ny andro voalohany tamin’ny volana fahafito no niantomboka nanolotra fanatitra dorana manontolo ho an’NY TOMPO izy ireo. Nefa tsy mbola napetraka tamin’izay ny fanorenan’ny tempolin’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hatramin’ny andro voalohan’ny volana fahafito, dia efa nanomboka ny manatitra sorona dorana ho an’i Iaveh izy ireo; ny fototry ny tempolin’i Iaveh anefa dia mbola tsy nalatsaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Amin’izao andro voalohan’ny volana fahafito izao ny Israelita no nanomboka nanolotra sorona dorana manontolo ho an’ny TOMPO, na dia mbola tsy nalatsaka akory aza ny fototr’ilay tempoli n’ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana fahafito no niantomboka nanatitra fanatitra dorana ho an'i Jehovah izy. Nefa tsy mbola natao ny fanorenan'ny tempolin'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’ny andro voalohany tamin’ny volana fahafito no niantomboka nanolotra fanatitra dorana manontolo ho an’NY TOMPO izy ireo. Nefa tsy mbola napetraka tamin’izay ny fanorenan’ny tempolin’NY TOMPO.
malagasy
Tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana fahafito no niantomboka nanatitra fanatitra dorana ho an'i Jehovah izy. Nefa tsy mbola natao ny fanorenan'ny tempolin'i Jehovah.