Ezra 3:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’ny volana faharoa tamin’ny taona faharoa taorianan’ny nahatongavany tany amin’ny tranon’Andriamanitra tany Jerosalema dia nanomboka niasa i Zerobabela, zanak’i Sealtiela, sy i Josoa, zanak’i Jozadaka, mbamin’ny rahalahiny sisa, dia ny mpisorona sy ny levita ary izay rehetra tonga tany Jerosalema avy tany amin’ny fahababoana ka nanendry ny levita izay hatramin’ny roapolo taona noho miakatra izy ho tonian’ny asa amin’ny tranon’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’ny taona faharoa nahatongavany teo amin’ny tranon’Andriamanitra tao Jerosalema, tamin’ny volana faharoa, dia nanomboka ny asa i Zôrôbabela zanak’i Salatiela, i Jôsoe zanak’i Josedeka, mbamin’ireo rahalahiny sisa, ny mpisorona sy ny Levita, ary izay rehetra tao Jerosalema, avy amin’ny fahababoana, ka nanendry ny Levita hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra izy, hitarika ny asa amin’ny tranon’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary tamin’ny volana faharoan’ny taona faharoa nahatongavany teo amin’ny tranon’Andriamanitra tao Jerosalema, dia nisantatra ilay asa i Zerobabela zanakalahin’i Sealtiela, sy i Jesoa zanakalahin’i Jôtsadàka mbamin’ireo mpisorona mpiombom-panompoana aminy sy ny levita ary izay rehetra tafaverina avy any an-tsesitany ka tonga tao Jerosalema. Nanendry ny Levita hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra ny daholobe mba ho tonian’izao asa amin’ny tranon’ny TOMPO izao;
Malagasy Bible 1865
Ary tamin'ny volana faharoa tamin'ny taona faharoa taorian'ny nahatongavany tany amin'ny tranon'Andriamanitra tany Jerosalema dia niantomboka Zerobabela, zanak'i Sealtiela, sy Jesoa, zanak'i Jozadaka, mbamin'ny rahalahiny sisa, dia ny mpisorona sy ny Levita ary izay rehetra tonga tany Jerosalema avy tany amin'ny fahababoana, ka nanendry ny Levita izay hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra izy ho tonian'ny asa amin'ny tranon'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’ny volana faharoa tamin’ny taona faharoa taorianan’ny nahatongavany tany amin’ny tranon’Andriamanitra tany Jerosalema dia nanomboka niasa i Zerobabela, zanak’i Sealtiela, sy i Josoa, zanak’i Jozadaka, mbamin’ny rahalahiny sisa, dia ny mpisorona sy ny levita* ary izay rehetra tonga tany Jerosalema avy tany amin’ny fahababoana ka nanendry ny levita izay hatramin’ny roapolo taona noho miakatra izy ho tonian’ny asa amin’ny tranon’NY TOMPO.
malagasy