Ezra 3:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia niara-nitsangana i Josoa sy ny zanany ary ny rahalahiny, mbamin’i Kadmiela sy ny zanany, zanak’i Joda, ho tonian’ny mpiasa tamin’ny tranon’Andriamanitra, ary ny zanak’i Henadada koa mbamin’ny zanany sy ny levita rahalahiny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia indray nivonona ny Levita: i Jôsoe mbamin’ireo zanany aman-drahalahiny, i Kedmiela, mbamin’ireo zanany, zanak’i Jodà, hitarika an’izay niasa nanao ny asa momba ny tranon’Andriamanitra; torak’izany koa ny taranak’i Henadada, mbamin’ny zanany sy ny rahalahiny; samy Levita avokoa izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ary niray hina nijoro ho tonian’ny mpiasa ireo levita: dia ry i Jesoa sy i Kadmiela mirahalahy zanak’i Hôdavià mbamin’ny taranany avy, ireo zanakalahin’i Henadada mbamin’ny taranany avy, ary koa levita hafa mpiray foko aminy.
Malagasy Bible 1865
Dia niara-nitsangana Jesoa sy ny zanany ary ny rahalahiny, ary Kadmiela sy ny zanany, zanak'i Joda, ho tonian'ny mpiasa tamin'ny tranon'Andriamanitra, ary ny zanak'i Henadada koa mbamin'ny zanany sy ny Levita rahalahiny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia niara-nitsangana i Josoa sy ny zanany ary ny rahalahiny, mbamin’i Kadmiela sy ny zanany, zanak’i Joda, ho tonian’ny mpiasa tamin’ny tranon’Andriamanitra, ary ny zanak’i Henadada koa mbamin’ny zanany sy ny levita rahalahiny.
malagasy