Ezra 4:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony ren’ny fahavalon’ny Joda sy ny Benjamina fa ireo nody avy tamin’ny fahababoana dia efa manangana tempoly ho an’NY TOMPO Andriamanitry ny Israely
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony ren’ny fahavalon’i Jodà sy i Benjamina fa hoe manao tempoly ho an’i Iaveh Andriamanitr’i Israely, ny zanaky ny fahababoana,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ren’ny valovotaka, fahavalon’ny Jiosy tao Joda sy tao Benjamîna, fa manorina tempoly ho an’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely ny Jiosy nody avy any an-tsesitany.
Malagasy Bible 1865
Ary nony ren'ny fahavalon'ny Joda sy ny Benjamina fa ireo efa nody avy tamin'ny fahababoana dia efa manao tempoly ho an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony ren’ny fahavalon’ny Joda sy ny Benjamina fa ireo nody avy tamin’ny fahababoana dia efa manangana tempoly* ho an’NY TOMPO Andriamanitry ny Israely
malagasy
[Ny nataon'ny Samaritana hisakanana ny Jiosy tsy hanao ny tempoly sy ny nandraran'ny mpanjakan'i Persia azy tsy hanao intsony] Ary nony ren'ny fahavalon'ny Joda sy ny Benjamina fa ireo efa nody avy tamin'ny fahababoana dia efa manao tempoly ho an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely,