Ezra 4:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Aoka ho fantatry ny mpanjaka fa ny Jiosy izay niakatra avy tany aminao hankaty aminay dia efa tonga any Jerosalema ka manamboatra ilay tanàna sady mpikomy no ratsy, mahavita ny mandany izy izao ary efa manamboatra ny fanorenana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Aoka ho fantatry ny mpanjaka, fa ny Jody avy any aminao, nankatỳ aminay, dia tonga tatỳ Jerosalema, ka namboatra ilay tanàna fikomiana sady ratsy, ka efa manao ny mandany sy mamboatra ny fototra izy izao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Aoka ho fantatrao fa ny Jiosy, izay niala avy tany aminao mba hiverina hankatỳ aminay, dia efa tonga any Jerosalema ka miroso manorina indray ilay tanàna mpikomy sady ratsy. Efa manangana ny manda ry zareo izao rehefa avy nanamboatra ny fototra.
Malagasy Bible 1865
Aoka ho fantatry ny mpanjaka fa ny Jiosy, izay niakatra avy tany aminao hankatỳ aminay, dia efa tonga any Jerosalema ka manamboatra ilay tanàna fikomiana sady ratsy, dia mahavita ny mandany izy izao ary manamboatra ny fanorenany koa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Aoka ho fantatry ny mpanjaka fa ny Jiosy* izay niakatra avy tany aminao hankaty aminay dia efa tonga any Jerosalema ka manamboatra ilay tanàna sady mpikomy no ratsy, mahavita ny mandany izy izao ary efa manamboatra ny fanorenana.
malagasy
Aoka ho fantatry ny mpanjaka fa ny Jiosy, izay niakatra avy tany aminao hankatỳ aminay, dia efa tonga any Jerosalema ka manamboatra ilay tanàna fikomiana sady ratsy, dia mahavita ny mandany izy izao ary manamboatra ny fanorenany koa.