Ezra 4:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa aoka ho fantatry ny mpanjaka fa raha haorina io tanàna io ka hatsangana indray ny mandany dia tsy hety handoa hetra, na haba, na sara, izy ka hahatonga fatiantoka ho an’ny fanjakana izany any aoriana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary aoka ho fantatry ny mpanjaka, fa raha voamboatra io tanàna io, ka voatsangana ny mandany, dia tsy handoa hetra intsony izy ireo, na haba, na sara, ka dia faty antoka ho an’ny mpanjaka no ho vokatr’izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Aoka ho fantatrao, ry Andriamanjaka, fa raha voaorina indray io tanàna io ka tafatsangana ny mandany, dia tsy hety handoa hetra na haba na sara intsony ry zareo; ka dia hahatonga fatiantoka ho an’ny fanjakanao izany.
Malagasy Bible 1865
Koa aoka ho fantatry ny mpanjaka fa raha hatao io tanàna io, ka hatsangana indray ny mandany, dia tsy hety handoa hetra, na haba, na sara, izy; ka dia hahatonga fatiantoka ho an'ny fanjakana izany any aoriana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa aoka ho fantatry ny mpanjaka fa raha haorina io tanàna io ka hatsangana indray ny mandany dia tsy hety handoa hetra, na haba, na sara, izy ka hahatonga fatiantoka ho an’ny fanjakana izany any aoriana.
malagasy