Ezra 4:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia nanatona an’i Zerobabela sy ny lohan’ny fianakaviana izy ka niteny taminy hoe: Aoka mba hiara-miasa aminareo izahay fa mitady an’Andriamanitrareo tahaka anareo ihany koa izahay, ary ho Azy no namonoanay zavatra hatao fanatitra hatramin’ny andron’i Esara-Hadona mpanjakan’i Asiria izay nampiakatra anay ho atỳ.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia nanatona an’i Zôrôbabela sy ny loham-pianakaviana izy, ka nanao taminy hoe: «Aoka mba hiara-manao aminareo izahay, fa manaja ny Andriamanitrareo tahaka anareo ihany, sady manatitra sorona ho Azy hatramin’ny andron’i Asarhadôna mpanjakan’i Asiria, izay nampiakatra anay ho atỳ.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nanatona an’i Zerobabela sy ny loham-pianakaviana ireo valovotaka ireo ka nanao taminy hoe: –Aoka izahay mba hiara-manorin-trano aminareo. Ilay Andriamanitrareo manko dia hajainay tahaka ny anajanareo Azy sady Izy mihitsy no toloranay sorona hatramin’ny andron’i Esara-Hadôna, mpanjaka asirianina, izay nampiakatra anay ho atỳ.
Malagasy Bible 1865
dia nanatona an'i Zerobabela sy ny lohan'ny fianakaviana izy ka nanao taminy hoe: Aoka mba hiara-manao aminareo izahay, fa mitady an'Andriamanitrareo tahaka anareo ihany koa izahay, ary ho Azy no namonoanay zavatra hatao fanatitra hatramin'ny andron'i Esara-hadona, mpanjakan'i Asyria, izay efa nampakatra anay ho atỳ.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia nanatona an’i Zerobabela sy ny lohan’ny fianakaviana izy ka niteny taminy hoe: Aoka mba hiara-miasa aminareo izahay fa mitady an’Andriamanitrareo tahaka anareo ihany koa izahay, ary ho Azy no namonoanay zavatra hatao fanatitra hatramin’ny andron’i Esara-Hadona mpanjakan’i Asiria izay nampiakatra anay ho atỳ.
malagasy