Ezra 4:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa namaly azy ireo i Zerobabela sy i Josoa mbamin’ny namany lohan’ny fianakaviana tamin’ny Israely hoe: Tsy misy raharaha hikambananareo aminay amin’ny hanaovana trano ho an’Andriamanitray; fa izahay ihany no hanao trano ho an’NY TOMPO Andriamanitry ny Israely, araka izay didy navoakan’i Kirosy mpanjaka, izay mpanjakan’i Persia, taminay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa namaly azy kosa i Zôrôbabela sy i Jôsoe mbamin’ireo namany loham-pianakavian’i Israely nanao hoe: «Tsy mety raha izahay sy ianareo no miara-manao ny tranon’Andriamanitray, fa izahay ihany no hanao azy, ho an’i Iaveh Andriamanitr’i Israely, araka ny voadidin’ny mpanjaka, dia i Sirosa mpanjakan’i Persa.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa i Zerobabela sy i Jesoa mbamin’ireo namany loham-pianakaviana israelita kosa namaly azy hoe: –Tsy misy ilànay anareo amin’ny fanorenana trano ho an’ilay Andriamanitray; fa izahay ihany no hanorin-trano ho an’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely, araka ny didy efa navoakan’i Kirôsa amperôran’i Persia.
Malagasy Bible 1865
Fa Zerobabela sy Jesoa mbamin'ny namany lohan'ny fianakaviana tamin'ny Isiraely namaly azy hoe: Tsy misy raharaha hikambananareo aminay amin'ny hanaovana trano ho an'Andriamanitray; fa izahay ihany no hanao trano ho an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, araka izay efa nandidian'itompokolahy Kyrosy, mpanjakan'i Persia, anay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa namaly azy ireo i Zerobabela sy i Josoa mbamin’ny namany lohan’ny fianakaviana tamin’ny Israely hoe: Tsy misy raharaha hikambananareo aminay amin’ny hanaovana trano ho an’Andriamanitray; fa izahay ihany no hanao trano ho an’NY TOMPO Andriamanitry ny Israely, araka izay didy navoakan’i Kirosy mpanjaka, izay mpanjakan’i Persia, taminay.
malagasy