Ezra 4:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’ny andron’i Artaksersesy no nanoratan’i Bislama sy i Mitredata ary i Tabela mbamin’ny namany sisa ho any amin’i Artaksersesy, mpanjakan’i Persia; ary ny soratra tamin’ny taratasy dia nataony tarehin-tsoratra arameana sady nataony teny arameana koa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary tamin’ny andron’i Artakserksesa, i Beselama, i Mitridata, i Tabeela, mbamin’ireo namany sisa, dia nanoratra ho any amin’i Artakserksesa mpanjakan’i Persa; tarehin-tsoratra arameanina no nanoratany ny taratasy, ary nadikany ho fiteny arameanina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’ny andro nanjakàn’i Artakserksesa amperôran’i Persia, dia nanoratra taratasy ho azy ry i Bislama sy i Mitredata ary i Tabeela mbamin’ireo namany hafa; ka tarehin-tsoratra aramianina sy fiteny aramianina no nanaovany an’ilay taratasy.
Malagasy Bible 1865
Ary tamin'ny andron'i Artaksersesy no nanoratan'i Bislama sy Mitredata sy Tabela mbamin'ny namany sisa ho any amin'i Artaksersesy, mpanjakan'i Persia; ary ny soratra tamin'ny taratasy dia nataony tarehin-tsoratra Syriana sady nataony teny Syriana koa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’ny andron’i Artaksersesy no nanoratan’i Bislama sy i Mitredata ary i Tabela mbamin’ny namany sisa ho any amin’i Artaksersesy, mpanjakan’i Persia; ary ny soratra tamin’ny taratasy dia nataony tarehin-tsoratra arameana sady nataony teny arameana koa.
malagasy
Ary tamin'ny andron'i Artaksersesy no nanoratan'i Bislama sy Mitredata sy Tabela mbamin'ny namany sisa ho any amin'i Artaksersesy, mpanjakan'i Persia; ary ny soratra tamin'ny taratasy dia nataony tarehin-tsoratra Syriana sady nataony teny Syriana koa.[Heb. Aramiana]