Ezra 5:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny mpaminany Hagay sy ny mpaminany Zakaria, zanak’Ido, dia naminany tamin’ny Jiosy tany Joda sy Jerosalema tamin’ny anaran’Andriamanitry ny Israely izay tao aminy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ireo mpaminany, i Akzea mpaminany sy i Zakaria zanak’i Adô dia naminany tamin’ireo Jody izay tany Jodà sy Jerosalema, amin’ny Anaran’ny Andriamanitr’i Israely izay nanindry azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Indray andro, ny mpaminany Hagay sy ny mpaminany Zakarià zanakalahin’i Hidao dia nitondra hafatra ho an’ny Jiosy tao Jerosalema sy Joda, tamin’ny anaran’Ilay Andriamanitr’i Israely, Izay nanentana azy.
Malagasy Bible 1865
Ary ny mpaminany, dia Hagay mpaminany sy Zakaria, zanak'Ido, naminany tamin'ny Jiosy tany Joda sy Jerosalema tamin'ny anaran'Andriamanitry ny Isiraely izay tao aminy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny mpaminany Hagay sy ny mpaminany Zakaria, zanak’Ido, dia naminany tamin’ny Jiosy* tany Joda sy Jerosalema tamin’ny anaran’Andriamanitry ny Israely izay tao aminy.
malagasy
[Ny namporisihan'i Hagay sy Zakaria ny Jiosy handroso hanao na tempoly indray, sy ny naneken'i Dariosy, mpanjakan'i Persia, ny hanaovany azy] Ary ny mpaminany, dia Hagay mpaminany sy Zakaria, zanak'Ido, naminany tamin'ny Jiosy tany Joda sy Jerosalema tamin'ny anaran'Andriamanitry ny Isiraely izay tao aminy.