Ezra 5:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nanontany ny anaran’izy ireo avy koa izahay mba hampahafantarinay anao ary hosoratanay ny anaran’ny olona izay mitarika azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nanontanianay azy koa ny anaran’izy ireo, mba hampahafantarinay anao, mba halatsaka an-tsoratra ny anaran’ireo lohany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nanontanianay azy koa ny anarany mba hahazoanay manoratra aminao sy hampahafantatra anao ny anaran’ireo lehilahy mpitarika asa izao.
Malagasy Bible 1865
Nanontany ny anarany avy koa izahay mba hampahafantarinay anao sy hosoratanay ny anaran'ny olona izay lohany;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nanontany ny anaran’izy ireo avy koa izahay mba hampahafantarinay anao ary hosoratanay ny anaran’ny olona izay mitarika azy.
malagasy
Nanontany ny anarany avy koa izahay mba hampahafantarinay anao sy hosoratanay ny anaran'ny olona izay lohany;