Ezra 5:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa izao no teny navaliny anay: Izahay dia mpanompon’Andriamanitry ny lanitra sy ny tany ka manamboatra ny trano izay efa vita ela, fa ny mpanjaka lehibe iray tamin’ny Israely no nanangana sy nahavita azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka izao no valy nomeny anay: Mpanompon’ny Andriamanitry ny lanitra sy ny tany izahay; ary ny trano efa vita ela be ihany no ataonay indray; dia ilay efa natao sy vitan’ny mpanjaka lehibe anankiray tamin’i Israely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ka izao no teny navaliny anay: ‹Mpanompon’ilay Andriamanitry ny tany aman- danitra izahay; ary trano efa vita ela be ihany no amboarinay indray, fa mpanjaka lehibe anankiray tamin’i Israely no nanorina sy nahavita azy.
Malagasy Bible 1865
ka izao no teny navaliny anay: Izahay dia mpanompon'Andriamanitry ny lanitra sy ny tany ka manamboatra ny trano izay efa vita ela, fa ny mpanjaka lehibe anankiray tamin'ny Isiraely no nanao sy nahavita azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa izao no teny navaliny anay: Izahay dia mpanompon’Andriamanitry ny lanitra sy ny tany ka manamboatra ny trano izay efa vita ela, fa ny mpanjaka lehibe iray tamin’ny Israely no nanangana sy nahavita azy.
malagasy