Ezra 5:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Noho ny razanay nanao izay nahatezitra an’Andriamanitry ny lanitra anefa dia natolony ho eo an-tanan’i Nebokadnezara kaldeana, mpanjakan’i Babilona, izy ireo; izy no nandrava io trano io ka nitondra ny olona ho babo tany Babilona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Saingy nony efa nampahatezitra ny Andriamanitry ny lanitra ny razany dia natolony ho eo an-tanan’i Nabokodonozora ilay Kaldeanina, mpanjakan’i Babilôna, dia noravan’izy io izany trano izany, ary nentiny ho babo tany Babilôna ny vahoaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kanefa ny nampahatezeran’ireo razanay an’Ilay Andriamanitry ny lanitra no nanolorany azy ho eo an-tanan’i Nebokadnetsara ilay Kaldeanina mpanjakan’i Babilôna. Nandrava io trano io i Nebokadnetsara sady nitondra ny olona ho babo tany Babilôna;
Malagasy Bible 1865
Fa noho ny nampahatezeran'ny razanay an'Andriamanitry ny lanitra, dia natolony izy ho eo an-tànan'i Nebokadnezara Kaldeana, mpanjakan'i Babylona, izay efa nandrava io trano io ka nitondra ny olona ho babo tany Babylona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Noho ny razanay nanao izay nahatezitra an’Andriamanitry ny lanitra anefa dia natolony ho eo an-tanan’i Nebokadnezara kaldeana, mpanjakan’i Babilona, izy ireo; izy no nandrava io trano io ka nitondra ny olona ho babo tany Babilona.
malagasy