Ezra 5:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny fanaka volamena sy volafotsy momba ny tranon’Andriamanitra izay efa nalain’i Nebokadnezara tao amin’ny tempoly tany Jerosalema ka noentiny ho any amin’ny tempoly any Babilona dia nalain’i Kirosy mpanjaka tao amin’ny tempolin’i Babilona ka natolotra tamin’ny olona iray antsoina hoe Sesbazara, izay efa notendreny ho governora;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary i Sirosa mpanjaka aza, dia nanala avy ao amin’ny tempolin’i Babilôna ny fanaka volamena sy volafotsin’ny tranon’Andriamanitra izay nalain’i Nabokodonozora tany Jerosalema ka nentiny ho ao amin’ny tempolin’i Babilôna, dia natolotra an’ilay atao hoe Sasabasara, notendreny ho governora,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Navoakan’i Kirôsa tao amin’ny tempoli-tsampy koa ireo fanaka ireo ka natolony an’ilay atao hoe Sesebatsàro izay notendreny ho governoran’i Joda;
Malagasy Bible 1865
Ary ny fanaka volamena sy volafotsy momba ny tranon'Andriamanitra, izay efa nalain'i Nebokadnezara tao amin'ny tempoly tany Jerosalema ka nentiny ho any amin'ny tempoly any Babylona, dia nalain'i Kyrosy mpanjaka tao amin'ny tempoly any Babylona ka natolotra tamin'ny anankiray atao hoe Sesbazara, izay efa notendreny ho governora;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny fanaka volamena sy volafotsy momba ny tranon’Andriamanitra izay efa nalain’i Nebokadnezara tao amin’ny tempoly* tany Jerosalema ka noentiny ho any amin’ny tempoly any Babilona dia nalain’i Kirosy mpanjaka tao amin’ny tempolin’i Babilona ka natolotra tamin’ny olona iray antsoina hoe Sesbazara, izay efa notendreny ho governora;
malagasy