Ezra 5:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia avy i Sesbazara ka nametraka ny fanorenan’ny tranon’Andriamanitra any Jerosalema; ary hatramin’izay andro izay ka mandraka ankehitriny dia efa natsangana ihany izy saingy tsy mbola vita.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia tonga io Sasabasara io, ka nandatsaka ny fototry ny tranon’Andriamanitra ao Jerosalema, ka hatramin’izay andro izay ka mandrak’ankehitriny dia natao ihany izy, saingy mbola tsy efa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia tonga tao Jerosalema i Sesebatsàro ka nandatsaka ny fototr’ilay tranon’Andriamanitra; ary hatramin’izany andro izany ka mandraka ankehitriny dia natao ihany izy saingy tsy mbola vita.›
Malagasy Bible 1865
Dia avy Sesbazara ka nanao ny fanorenan'ny tranon'Andriamanitra any Jerosalema; ary hatramin'izany andro izany ka mandraka ankehitriny dia efa natao ihany izy, saingy tsy mbola vita.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia avy i Sesbazara ka nametraka ny fanorenan’ny tranon’Andriamanitra any Jerosalema; ary hatramin’izay andro izay ka mandraka ankehitriny dia efa natsangana ihany izy saingy tsy mbola vita.
malagasy
Dia avy Sesbazara ka nanao ny fanorenan'ny tranon'Andriamanitra any Jerosalema; ary hatramin'izany andro izany ka mandraka ankehitriny dia efa natao ihany izy, saingy tsy mbola vita.Koa raha sitraky ny mpanjaka, aoka hizahana ny trano firaketan'ny mpanjaka, izay any Babylona, na misy didy nataon'i Kyrosy mpanjaka hanaovana io tranon'Andriamanitra any Jerosalema io, na tsia; ary aoka ny sitrapon'ny mpanjaka hambarany aminay ny amin'izany zavatra izany.