Ezra 5:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa raha sitraky ny mpanjaka, aoka hojerena ny trano fitahirizan-drakitry ny mpanjaka, izay any Babilona, na misy didy nataon’i Kirosy mpanjaka hanaovana io tranon’Andriamanitra any Jerosalema io na tsia; ary aoka hambarany aminay izay sitrapon’ny mpanjaka ny amin’izany zavatra izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa ankehitriny, raha sitraky ny mpanjaka, aoka hokarohina ao an-trano firaketan’ny mpanjaka any Babilôna raha misy didy navoakan’i Sirosa mpanjaka, momba ny fanaovana io tranon’Andriamanitra ao Jerosalema io. Ka rehefa izany, dia aoka hambaran’ny mpanjaka aminay, izay sitrapony ny amin’izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa raha sitrakao, ry Andriamanjaka, aoka mba hozahana ny trano firaketan’ny amperôra any Babilôna, na misy didy navoakan’ny amperôra Kirôsa hanorenana indray io tranon’Andriamanitra ao Jerosalema io na tsia; ary aoka mba hambaranao, ry Andriamanjaka, ny fanapahan-kevitrao ny amin’izany zavatra izany».
Malagasy Bible 1865
Koa raha sitraky ny mpanjaka, aoka hizahana ny trano firaketan'ny mpanjaka, izay any Babylona, na misy didy nataon'i Kyrosy mpanjaka hanaovana io tranon'Andriamanitra any Jerosalema io, na tsia; ary aoka ny sitrapon'ny mpanjaka hambarany aminay ny amin'izany zavatra izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa raha sitraky ny mpanjaka, aoka hojerena ny trano fitahirizan-drakitry ny mpanjaka, izay any Babilona, na misy didy nataon’i Kirosy mpanjaka hanaovana io tranon’Andriamanitra any Jerosalema io na tsia; ary aoka hambarany aminay izay sitrapon’ny mpanjaka ny amin’izany zavatra izany.
malagasy