Ezra 5:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’izany andro izany koa dia nankany amin’izy ireo i Tatenay governoran’ny etỳ andafin’ny ony Eofrata sy i Setara-Bozenay mbamin’ny namany; koa izao no nolazainy taminy: Iza no nandidy anareo hanao io trano io sy hamita io manda io?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’io fotoana io ihany dia tonga tao amin’izy ireo i Tatanaì, governoran’ny any an-dafin’ny ony, mbamin’i Starbôzanay sy ny namany, ka nanao tamin’izy ireo hoe: «Iza no nanome alalana anareo hanao ity trano ity sy hanangana ireo manda ireo?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’izay ihany dia tonga teo amin’ireto mpanorina ny tranon’Andriamanitra i Tatenay governoran’ny faritra andrefan’ny ony Eofrata sy i Setara-Bôzenay mbamin’ireo namany ka nanontany azy hoe: –Iza no nanome baiko anareo hanorina indray io trano io sy hanangana ny manda?
Malagasy Bible 1865
Ary tamin'izany andro izany ihany koa dia nankany amin'ireo Tatenay, governoran'ny etỳ an-dafin'ny ony etỳ, sy Setara-bozenay mbamin'ny namany; ka izao no nataony taminy: Iza no nandidy anareo hanao io trano io sy hahavita io manda io?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’izany andro izany koa dia nankany amin’izy ireo i Tatenay governoran’ny etỳ andafin’ny ony Eofrata sy i Setara-Bozenay mbamin’ny namany; koa izao no nolazainy taminy: Iza no nandidy anareo hanao io trano io sy hamita io manda io?
malagasy