Ezra 5:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny dikan’ny taratasy izay nampitondrain’i Tatenay governoran’ny etỳ andafin’ny ony Eofrata sy i Setara-Bozenay ary ny Afarsekita namany izay etỳ andafin’ny ony Eofrata, ho any amin’i Dariosy mpanjaka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no kôpian’ny taratasy ho an’i Dariosa mpanjaka, nalefan’i Tatanaì, governoran’ny eny an-dafin’ny ony, sy i Starbôzanay, mbamin’ireo namany any Arfasàka, monina any an-dafin’ny ony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izao no kôpian’ny taratasy ho an’ny amperôra Dariôsa, taratasy nalefan’i Tatenay governora sy i Setara-Bôzenay ary ny namany mpifehy ny Afarsekita izay teo andafy andrefan’ny ony Eofrata.
Malagasy Bible 1865
Ny tenin'ny taratasy izay nampitondrain'i Tatenay, governoran'ny etỳ an-dafin'ny ony etỳ, sy Setara-bozenay ary ny Afarsekita namany, izay amin'ny etỳ an-dafin'ny ony etỳ; ho any amin'i Dariosy mpanjaka;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny dikan’ny taratasy izay nampitondrain’i Tatenay governoran’ny etỳ andafin’ny ony Eofrata sy i Setara-Bozenay ary ny Afarsekita namany izay etỳ andafin’ny ony Eofrata, ho any amin’i Dariosy mpanjaka.
malagasy