Ezra 5:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Aoka ho fantatry ny mpanjaka fa nankany amin’ny tany Joda, any amin’ny tranon’Andriamanitra lehibe izahay; trano izay atao amin’ny vato vaventy sady misy hazo alatsaka amin’ny rindrin-trano, ary mandroso tsara izany asa izany sady ambinina eo an-tanany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Aoka ho fantatry ny mpanjaka, fa teny amin’ny faritanin’i Jodà, amin’ny tranon’Andriamanitra lehibe, izahay. Vato makadiry no anaovany azy, ary ny hazo dia halatsaka amin’ny rindrina, atao amim-pahazotoana ny asa, ary mandroso tsara ao an-tanan’izy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Aoka mba ho fantatrao fa teny amin’ny faritanin’i Joda sy tao amin’ny tranon’ilay Andriamanitra lehibe izahay. Aorina indray io trano io izao, ka vato vaventy no ampiasaina ary hazo matevina no alatsaka amin’ny rindrina; voakaly tsara ary mandroso haingana izany asa eo am-pelatanan’ny Jiosy izany.
Malagasy Bible 1865
Aoka ho fantatry ny mpanjaka fa nankany amin'ny tany Joda izahay ho any an-tranon'Andriamanitra lehibe, izay atao amin'ny vato vaventy, sady misy hazo alatsaka amin'ny rindrin-trano, ary mandroso tsara izany asa izany sady ambinina eo an-tànany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Aoka ho fantatry ny mpanjaka fa nankany amin’ny tany Joda, any amin’ny tranon’Andriamanitra lehibe izahay; trano izay atao amin’ny vato vaventy sady misy hazo alatsaka amin’ny rindrin-trano, ary mandroso tsara izany asa izany sady ambinina eo an-tanany.
malagasy