Ezra 6:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mamoaka didy aho fa na iza na iza no mandika izao teny izao dia hangalana hazo avy amin’ny tranony ary hatsangana izany dia hahantona eo ny tenany; ary aoka hatao fako ny tranony noho izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao koa no didy omeko: Raha misy manova izao teny izao, dia hotsoahana ny sakamandimby iray amin’ny tranony, ka dia hahantona sy haompana eo izy, ary ny tranony koa hatao antontam-piringa, noho izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mamoaka didy koa aho fa na iza na iza mandika izao teny izao, dia aoka hangalana hazo anankiray avy amin’ny tranony ary hatsatoka izany ka hahantona eo ny tenany; fa ny tranony kosa dia aoka hatao fanariam-piringa.
Malagasy Bible 1865
Ary izaho manao didy fa na iza na iza no mandika izao teny izao, dia aoka hangalana hazo avy amin'ny tranony, ary haorina, dia hahantona eo ny tenany; ary aoka hatao firinga ny tranony noho izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mamoaka didy aho fa na iza na iza no mandika izao teny izao dia hangalana hazo avy amin’ny tranony ary hatsangana izany dia hahantona eo ny tenany; ary aoka hatao fako ny tranony noho izany.
malagasy
Ary izaho manao didy fa na iza na iza no mandika izao teny izao, dia aoka hangalana hazo avy amin'ny tranony, ary haorina, dia hahantona eo ny tenany; ary aoka hatao firinga ny tranony noho izany.