Ezra 6:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary Andriamanitra izay efa nampitoetra ny anarany teo anie handringana ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra izay manainga ny tanany handika ny didiko ka handrava izany tranon’Andriamanitra any Jerosalema izany. Izaho Dariosy no namoaka ny didy; aoka hankatoavina marina tokoa izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ilay Andriamanitra izay mampitoetra ny Anarany ao anie hanongana ny andriana amam-bahoaka izay haninji-tanana hanova izao didy izao sy handrava izany tranon’Andriamanitra any Jerosalema izany. Didy nomeko izaho Dariosa, ity; ka tsy maintsy toavina an-tsakany sy an-davany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary Andriamanitra Izay efa nampitoetra ny anarany eo amin’io toerana io anie handringana ny mpanjaka sy firenena rehetra izay handika ny didiko ka haninji-tanana handrava io tranon’Andriamanitra any Jerosalema io. Izaho Dariôsa no namoaka ny didy; aoka hotovina an-tsakany sy an-davany izany».
Malagasy Bible 1865
Ary Andriamanitra, Izay efa nampitoetra ny anarany teo, anie handringana ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra, izay maninjitra ny tanany handika ny didiko ka handrava izany tranon'Andriamanitra any Jerosalema izany. Izaho Dariosy no nanao ny didy; aoka hotovina marina tokoa izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary Andriamanitra izay efa nampitoetra ny anarany teo anie handringana ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra izay manainga ny tanany handika ny didiko ka handrava izany tranon’Andriamanitra any Jerosalema izany. Izaho Dariosy no namoaka ny didy; aoka hankatoavina marina tokoa izany.
malagasy