Ezra 6:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nankatò marina izany teny nampitondrain’i Dariosy ho any aminy izany i Tatenay, governora amin’ny etỳ andafin’ny ony Eofrata, sy i Setara-Bozenay mbamin’ny namany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Notanterahin’i Tatanaì governoran’ny any an-dafin’ny ony, sy i Starbôzanay, mbamin’ireo namany, an-tsakany sy an-davany, ny didy nalefan’i Dariosa mpanjaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’izay ry Tatenay governoran’ny faritra andrefan’ny ony Eofrata sy ry Setara-Bôzenay mbamin’ireo namany dia nankatò an-tsakany sy an-davany izany teny nalefan’i Dariôsa ho azy izany.
Malagasy Bible 1865
Ary tamin'izany Tatenay, governora amin'ny etỳ an-dafin'ny ony etỳ, sy Setarabozenay mbamin'ny namany dia nankato marina izany teny efa nampitondrain'i Dariosy ho any aminy izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nankatò marina izany teny nampitondrain’i Dariosy ho any aminy izany i Tatenay, governora amin’ny etỳ andafin’ny ony Eofrata, sy i Setara-Bozenay mbamin’ny namany.
malagasy
[Ny nahavitana ny tempoly, sy ny nitokanana azy] Ary tamin'izany Tatenay, governora amin'ny etỳ an-dafin'ny ony etỳ, sy Setarabozenay mbamin'ny namany dia nankato marina izany teny efa nampitondrain'i Dariosy ho any aminy izany.