Ezra 6:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nanao ny trano ny loholon’ny Jiosy ka nambinina noho ny faminanian’i Hagay mpaminany sy i Zakaria, zanak’Ido. Ary nanao ny trano izy ka nahavita azy, araka ny didin’Andriamanitry ny Israely sy araka ny didin’i Kirosy sy i Dariosy ary i Artaksersesy, mpanjakan’i Persia.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka dia rafitra nanao ny trano ireo loholon’i Israely, ka nandroso tsara ny asa, noho ny faminanian’i Akzea mpaminany, sy i Zakaria zanak’i Adô. Nanao izy dia nahavita araka didin’ny Andriamanitr’i Israely sy araka ny didin’i Sirosa, i Dariosa, i Artakserksesa, mpanjakan’i Persa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nanohy ny taotrano ireo loholona jiosy ka nambinina, araka ny hafatra nentin’ny mpaminany Hagay sy ny mpaminany Zakarià zanakalahin’i Hidao. Nanorina ka nahavita ny tempoly ry zareo, araka ny didin’Ilay Andriamanitr’i Israely sy araka ny baikon-dry i Kirôsa sy i Dariôsa ary i Artakserksesa, amperôran’i Persia.
Malagasy Bible 1865
Dia nanao ny trano ny loholon'ny Jiosy ka nambinina noho ny faminanian'i Hagay mpaminany sy Zakaria, zanak'Ido. Ary nanao ny trano izy ka nahavita azy, araka ny didin'Andriamanitry ny Isiraely sy araka ny didin'i Kyrosy sy Dariosy ary Artaksersesy, mpanjakan'i Persia.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nanao ny trano ny loholon’ny Jiosy* ka nambinina noho ny faminanian’i Hagay mpaminany sy i Zakaria, zanak’Ido. Ary nanao ny trano izy ka nahavita azy, araka ny didin’Andriamanitry ny Israely sy araka ny didin’i Kirosy sy i Dariosy ary i Artaksersesy, mpanjakan’i Persia.
malagasy
Dia nanao ny trano ny loholon'ny Jiosy ka nambinina noho ny faminanian'i Hagay mpaminany sy Zakaria, zanak'Ido. Ary nanao ny trano izy ka nahavita azy, araka ny didin'Andriamanitry ny Isiraely sy araka ny didin'i Kyrosy sy Dariosy ary Artaksersesy, mpanjakan'i Persia.