Ezra 6:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nateriny hitokanana io tranon’Andriamanitra io ny omby zato sy ondrilahy roanjato ary zanak’ondry efajato; ny fanatitra fanadiovana ho an’ny Israely rehetra kosa dia osilahy roa amby folo, araka ny isan’ny fokon’Israely.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no naterin’ny olona hitokanana io tranon’Andriamanitra io: Ombalahy 100, ondralahy 200, zanak’ondry 400, ary osilahy 12, araka ny isan’ny fokon’i Israely ho sorona noho ny ota, ho an’i Israely rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny sorona natolotra tamin’io fitokanana io dia ombilahy zato sy ondrilahy roanjato ary zanakondry efajato; ary ny ho sorona fanalana ny ota ho an’ny vahoaka Israely manontolo dia osilahy 12, izany hoe anankiray isam-poko.
Malagasy Bible 1865
ary ny nateriny hitokanana io tranon'Andriamanitra io dia omby zato sy ondrilahy roan-jato sy zanak'ondry efa-jato; ary ny ho fanatitra noho ny ota kosa ho an'ny Isiraely rehetra dia osilahy roa ambin ny folo, araka ny isan'ny firenen'Isiraely.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nateriny hitokanana io tranon’Andriamanitra io ny omby zato sy ondrilahy roanjato ary zanak’ondry efajato; ny fanatitra fanadiovana ho an’ny Israely rehetra kosa dia osilahy roa amby folo, araka ny isan’ny fokon’Israely.
malagasy