Ezra 6:20 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
fa samy efa nanadio ny tenany rahateo ny mpisorona sy ny levita; dia nadio izy rehetra ka namono ny Paska ho an’izay rehetra nody avy tamin’ny fahababoana sy ho an’ny mpisorona rahalahiny ary ho an’ny tenany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa efa samy nanamasina ny tenany ny mpisorona sy ny Levita tsy an-kanavaka, ka samy efa madio avokoa. Dia namono ny Paka izy ireo, ho an’ny zanaky ny fahababoana rehetra sy ho an’ny rahalahiny mpisorona ary ho an’ny tenany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Samy efa nanao fidiovan-tena rahateo ny mpisorona sy ny levita, ka dia nadio izy rehetra; hany ka afaka namono ny zanakondrin’ny Paska ireo levita na ho an’ny sarambabem-bahoaka na ho an’ny mpisorona mpiray foko aminy na ho an’ny tenany.
Malagasy Bible 1865
fa ny mpisorona sy ny Levita samy efa nanadio ny tenany rahateo, dia nadio izy rehetra ka namono ny Paska ho an'izay rehetra efa nody avy tamin'ny fahababoana sy ho an'ny mpisorona rahalahiny ary ho an'ny tenany,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
fa samy efa nanadio ny tenany rahateo ny mpisorona sy ny levita*; dia nadio izy rehetra ka namono ny Paska ho an’izay rehetra nody avy tamin’ny fahababoana sy ho an’ny mpisorona rahalahiny ary ho an’ny tenany.
malagasy
fa ny mpisorona sy ny Levita samy efa nanadio ny tenany rahateo, dia nadio izy rehetra ka namono ny Paska ho an'izay rehetra efa nody avy tamin'ny fahababoana sy ho an'ny mpisorona rahalahiny ary ho an'ny tenany,