Ezra 6:21 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nihinana izany ny Zanak’Israely izay nody avy tamin’ny fahababoana mbamin’izay rehetra niavaka ho namany ka niala tamin’ny fahalotoan’ny firenena tompon-tany mba hitady NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nihinana ny Paka ny zanak’i Israely rehetra niala tamin’ny fahalotoan’ny firenena tompon-tany, sy nanatona azy hiara-mitady an’i Iaveh Andriamanitr’i Israely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nihinana ny sakafo Paska avokoa ny Israelita rehetra nody avy any an-tsesitany; niaraka taminy koa ny namany efa nandao ny fiainan-dratsin’ireo valovotaka sy nanompo an’Ilay TOMPO Andriamanitr’i Israely.
Malagasy Bible 1865
Dia nihinana izany ny Zanak'Isiraely izay efa nody avy tamin'ny fahababoana mbamin'izay rehetra niavaka ho namany ka niala tamin'ny fahalotoan'ny firenena tompon-tany hitady an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nihinana izany ny Zanak’Israely izay nody avy tamin’ny fahababoana mbamin’izay rehetra niavaka ho namany ka niala tamin’ny fahalotoan’ny firenena tompon-tany mba hitady NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely.
malagasy
Dia nihinana izany ny Zanak'Isiraely izay efa nody avy tamin'ny fahababoana mbamin'izay rehetra niavaka ho namany ka niala tamin'ny fahalotoan'ny firenena tompon-tany hitady an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely,ka dia nitandrina ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira hafitoana tamin'ny fifaliana izy; fa Jehovah efa nampifaly azy ary efa nampiova ny fon'ny mpanjakan'i Asyria hamindra fo aminy ka hampahery ny tànany tamin'ny nanaovany ny tranon'Andriamanitra, dia Andriamanitry ny Isiraely.