Ezra 6:22 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nitandrina ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira nandritra ny hafitoana tamin’ny fifaliana izy; fa NY TOMPO efa nampifaly azy sady nampiova ny fon’ny mpanjakan’i Asiria mba hamindra fo aminy ka hampahery ny tanany tamin’ny nanaovany ny tranon’Andriamanitra, dia Andriamanitry ny Israely.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin-kafaliana no nanaovan’izy ireo ny fetin’ny Azima mandritra ny hafitoana; fa nampifalin’i Iaveh izy, tamin’ny nitarihany ny fon’ny mpanjakan’i Asiria hanampy azy ireo sy hanohana ny tanany amin’ny asa momba ny tranon’Andriamanitra, dia ny Andriamanitr’i Israely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamim-pifaliana no nanaovan’ireo Israelita ny fankalazana ny mofo tsy misy leviora nandritra ny fito andro. Fa nampifaly azy tokoa ny TOMPO noho Izy nampiova ny amperôra hamindrafo amin’ny Israelita; izany rahateo no nampahery azy tamin’ny asa momba ny tranon’Andriamanitra, dia Ilay Andriamanitr’i Israely.
Malagasy Bible 1865
ka dia nitandrina ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira hafitoana tamin'ny fifaliana izy; fa Jehovah efa nampifaly azy ary efa nampiova ny fon'ny mpanjakan'i Asyria hamindra fo aminy ka hampahery ny tànany tamin'ny nanaovany ny tranon'Andriamanitra, dia Andriamanitry ny Isiraely.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nitandrina ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira nandritra ny hafitoana tamin’ny fifaliana izy; fa NY TOMPO efa nampifaly azy sady nampiova ny fon’ny mpanjakan’i Asiria mba hamindra fo aminy ka hampahery ny tanany tamin’ny nanaovany ny tranon’Andriamanitra, dia Andriamanitry ny Israely.
malagasy